Startup Weekend comes to Fianarantsoa

A big step, Startup Weekend comes the first time in Fianarantsoa, Madagascar

The following article is written in Malagasy …

 

 

Akôry aby o !!!

Faly izahay mampandreha anareo fa vonona izahay hampitondra ny firaisankina amin’ny mpandraraha manerana ny Madagasikara amin’ny alalan’ny Startup Weekend izay miverina eto Madagasikara ka ho avy ao Fianarantsoa.

Startup weekend ? Hono oa, inona no atao hoe Startup Weekend ?
Ny Startup Weekend dia fotoana iray tsy manam-paharoa mba hitsapana ny hevitrao na hitsapanao ny traikefan’ny fandraharahana. Startup Weekend dia hetsika maherin’ny 4.000 nokarakaraina tany amin’ny firenena mihisa 150 nanomboka tamin’ny taona 2009. Azo antsoina matetika hoe “incubateur” lehibe indrindra maneran-tany ny Startup Weekend! Afaka mamorona na misafidy ny ekipany ny tsirairay ary ny tanjona dia manangana orinasa ao anatin’ny 54 ora. Rehefa avy niara-niasa nandritran’ny roa andro ny mpandray anjara dia manolotra ny tetikasany eo anolohany mpitsara, mpandraharaha sy “investisseur”.

Startup Weekend dia te hizara ny filozofia hoe “No talk all action” na hoe tsy misy kabary, tsy misy resaka fa tonga dia hetsika. Raha manana hevitra ianao dia tsy voatery manam-bola amin’ny voalohany. Rehefa mahasarika mpanjifa 100 fotsiny dia azo atao ny miheritreritra fangatahana financement. Aza matahotra manomboka tetik’asa tsikelikely, tadidio fa i Nelli Studio, Hamac, Google, Facebook, Microsoft, Apple, Airbnb dia nanomboka tao amin’ny garazy na efitra kely.

Mpianatra ? Mpaka sary ianao ? Developer ? BizDev? Injeniera? Mpahay siansa mpanara-maso? Mpisolovava? Mpanao hosodoko? Mpivaro-kena ? Simia? Agribusiness? … Na iza ianao na iza, dia hanana ny toeranao amin’ity hetsika ity ianao. Tsy misy fetran-taona, fahaiza-mamorona, niaviana. Na manana tetikasa ianao na tsia, raha vonona hianatra ho mpandraraha na vonona hampivoatra an i Madagasikara, dia tongava !

Fanontaniana miverina matetika :

Matahotra aho fa hisy hangalatra ny hevitro – Tsia:
– Tsy misy lanja ny hevitra iray :, maro ny olona manana hevitra mitovy aminao
– Teo anoloan’i facebook dia nisy hevitra tokana sosialy mihisa 150 izay tsy nahomby : matetika ny hevitra efa nisy nanana taloha
– Tsy voatery hanolotra hevitra na tetikasa ianao ao amin’ny Startup Weekend fa afaka mianatra fahaiza-manao vaovao na manao “networking”.
– Ny hevitra tsy misy fahaiza-manao na tsy misy ekipa na tsy misy mpiara-miasa dia foana : Raha manana hevitra ianao ka irery na tsy hainao ny manao azy dia afaka zarainao amin’ny olon-kafa

Ireto sarimihetsika mampiseho ny fihetsika momban’i Madagasikara mialohan ny Startup Weekend Fianarantsoa 2018 :

Startup Weekend Antananarivo 2017

Startup Weekend Paris – Madagascar 2017

Startup Weekend Paris -Madagascar 2016

Startup Weekend Madagascar 2016

Startup weekend Paris : Madagascar 2015

 

Written by Mino.R